Nehemiah 11:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny taranak’i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy, Aia, Betela ary ny vohitra miankina aminy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny avy amin’ny taranak’i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin’ny vohitra momba azy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sasany tamin’ny taranak’i Benjamîna kosa dia nonina tamin’ireto tanàna ireto: i Geba, i Mikmasy, i Haià, i Betela sy ireo tanàna kely miankina aminy,
Malagasy Bible 1865
Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny taranak’i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy, Aia, Betela ary ny vohitra miankina aminy,
malagasy
Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,