Nehemiah 12:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny lehiben’ny levita dia i Hasabia sy i Serebia ary i Josoa zanak’i Kadmiela, mbamin’ny rahalahin’ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra isan-tokony; araka ny didin’i Davida, lehilahin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lohan’ny Levita: i Hasebiasa, i Serebiasa, ary i Jôsoe, zanak’i Kedmiela, niandraikitra niaraka tamin’ireo rahalahiny nifanandrify aminy, ny fankalazana sy ny fiderana an’Andriamanitra; araka ny nandaharan’i Davida olon’Andriamanitra an’izany: nanao antokony roa mifamaly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny lehiben’ny levita dia i Hasabia sy i Serebia ary i Josoa zanak’i Kadmiela, mbamin’ny rahalahin’ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra isan-tokony; araka ny didin’i Davida, lehilahin’Andriamanitra.
malagasy