Nehemiah 12:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema dia notadiavina avy tamin’ny fonenany rehetra ny levita mba hoentina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nitokanana ny mandan’i Jerosalema dia nantsoina tany amin’izay fitoerana nonenany rehetra tany, ny Levita, nasaina tonga any Jerosalema hanao ny fitokanana amin-kafaliana, amin’ny hira amam-piderana, amin’ny feon-kipantsona sy valiha ary harpa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema, dia nantsoina avy tamin’ny toeram-ponenany rehetra ny levita; nasaina ho tonga any Jerosalema ry zareo mba hanao ny fitokanana amim-pifaliana, ombàn’ny hira fiderana arahin’ny kipantsona sy valiha ary lokanga.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema dia notadiavina avy tamin’ny fonenany rehetra ny levita* mba hoentina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
malagasy
Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.