Nehemiah 12:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ny mpanapaka ny Joda ary nanendry antoko mpihira roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny iray dia nandeha tamin’ny ankavanana teo ambonin’ny manda ho amin’ny vavahadin-jezika;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasaiko niakatra teny ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Jodà, ary nalahatro ho antokony roa lehibe ny mpihira manao prôsesiôna. Ny antokony voalohany, nandeha teny ambonin’ny manda, amin’ny ilany havanana, ho eo amin’ny vavahadin’ny Zezika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Joda; ny mpihira kosa nozaraiko ho antokony roa lehibe mitandahatra tsara. Ny antoko mpihira voalohany dia niroso teny ambonin’ny manda, tamin’ny ilany ankavanana mankeny amin’ny Vavahadin’ny Fanariam-pako;
Malagasy Bible 1865
Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ny mpanapaka ny Joda ary nanendry antoko mpihira roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny iray dia nandeha tamin’ny ankavanana teo ambonin’ny manda ho amin’ny vavahadin-jezika;
malagasy