Nehemiah 12:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mbamin’ny rahalahiny, dia i Semaia, i Azarela, i Milalay, i Gilalay, i May, i Netanela, i Joda ary i Hanany, nitondra ny zavamanenon’i Davida, lehilahin’Andriamanitra; ary nandeha teo alohan’ireo i Ezra mpanoradalàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao amin’ny vavahadin’ny Loharano izy ireo, dia niakatra ny ambaratongan’ny tanànan’i Davida, teo an-tandrifiny, nihazo ny fiakarana amin’ny manda, eo ambonin’ny manda, eo ambonin’ny tranon’i Davida hatreo amin’ny vavahadin’ny Rano, eo atsinanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mbamin’ireo naman’i Zakarià, dia i Semahià sy i Hazarela, i Milalay sy i Gilalay; i Mahay sy i Netaneela, ary i Joda sy i Hananỳ, izay samy nitondra ny zava-maneno namboarin’i Davida olon’Andriamanitra. I Hezrà mpahay lalàna no nialoha ireo mpiray dia ireo.
Malagasy Bible 1865
mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mbamin’ny rahalahiny, dia i Semaia, i Azarela, i Milalay, i Gilalay, i May, i Netanela, i Joda ary i Hanany, nitondra ny zavamanenon’i Davida, lehilahin’Andriamanitra; ary nandeha teo alohan’ireo i Ezra mpanoradalàna.
malagasy