Nehemiah 12:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nizotra hatreo amin’ny vavahadin-doharano izy ka niakatra tamin’ny tohatra nihazo ny Tanànan’i Davida, teo amin’ny fiakarana amin’ny manda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatreo amin’ny vavahadin-drano eo atsinanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny antoko-mpihira faharoa kosa, nandeha tamin’ny ilany iray, ka izaho sy ny antsasaky ny vahoaka no teo aorian’io, teny ambony manda. Avy eo amin’ny tilikambon’ny fatana fandoroana, dia nandroso hatreo amin’ny manda malalaka,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga teo amin’ny Vavahadin’ny Loharano ry zareo, dia niatrika ny ambaratongan’ny Tanànan’i Davida; teo amin’ny manda ihany no niakatra izany izy ka nanjary lasa ambonin’ny tranon’i Davida, ary tafapaka hatreny amin’ny Vavahadin-drano eo atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nizotra hatreo amin’ny vavahadin-doharano izy ka niakatra tamin’ny tohatra nihazo ny Tanànan’i Davida, teo amin’ny fiakarana amin’ny manda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatreo amin’ny vavahadin-drano eo atsinanana.
malagasy