Nehemiah 12:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny antoko mpihira andiany faharoa kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko niaraka tamin’ny antsasaky ny olona teo ambonin’ny manda hatreo ambonin’ny tilikambo fiambenana misy ny fatana fandoroana ka hatreo amin’ny manda lehibe,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia avy teo ambony vavahadin’i Efraima, teo amin’ny vavahady Goga, teo am-bavahadin’ny Hazandrano, teo amin’ny tilikambon’i Hananeela, sy ny tilikambon’i Meà, hatreo amin’ny vavahadin’ny Ondry; ary teo amin’ny vavahadin’ny Tranomaizina no nijanona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny antoko-mpihira faharoa kosa dia nandeha tamin’ny ilany ankavia; ka ny tenako sy ny antsasak’ireo mpanapaka an’i Joda no nanaraka azy teny ambonin’ny manda. Nandalo teo akaikin’ny Tilikambon’ny Fatana izahay, dia nandroso hatreny amin’ny manda malalaka;
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny antoko mpihira andiany faharoa kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko niaraka tamin’ny antsasaky ny olona teo ambonin’ny manda hatreo ambonin’ny tilikambo fiambenana misy ny fatana fandoroana ka hatreo amin’ny manda lehibe,
malagasy