Nehemiah 12:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary hatreo ambonin’ny vavahadin’i Efraima sy teo ambonin’ny vavahady taloha ary teo ambonin’ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo fiambenana Hananela sy ny tilikambo fiambenana Hamea, dia hatramin’ny vavahadin’ondry; ary nijanona teo amin’ny vavahadin’ny trano fiambenana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia samy nijanona tao an-tranon’Andriamanitra ny antoko-mpihira roa tonta, mbamin’izaho sy ny antsasaky ny andriambaventy niaraka tamiko,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
avy eo dia nitety ny vavahadin’i Efraîma, sy ny vavahady tranainy ary ny vavahadin’ny Trondro. Nandalo teo akaikin’ny Tilikambo Hananela sy ny tilikambon’ny Zatolahy ary nihoatra ny vavahadin’ny Ondry izahay, vao nitsatoka teo amin’ny Vavahadin’ny fonja.
Malagasy Bible 1865
ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary hatreo ambonin’ny vavahadin’i Efraima sy teo ambonin’ny vavahady taloha ary teo ambonin’ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo fiambenana Hananela sy ny tilikambo fiambenana Hamea, dia hatramin’ny vavahadin’ondry; ary nijanona teo amin’ny vavahadin’ny trano fiambenana izy.
malagasy