Nehemiah 12:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra izy tamin’izany andro izany sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany dia nifaly koa ka re hatrany lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany, dia notendrena ny olona hitandrina ny efitrano fitahirizana, hasiana ny fanatitra voatokana, ny voaloham-bokatra, ny fahafolon-karena; ary nasaina nangonin’izy ireo, avy any amin’ny faritanin’ny isan-tanàna, ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita voadidin’ny lalàna, fa nahafaly an’i Jodà ny nahita ireo mpisorona sy Levita, samy eo amin’ny anjara toerany avy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sorona maro no natolotra tamin’izany andro izany ary fifaliana no nanjaka, satria antom-pifaliana lehibe no efa nomen’Andriamanitra ny olona. Tao Jerosalema dia nifaly mbamin’ny zaza amam-behivavy, ka re lavitra ny hobin-kafaliana.
Malagasy Bible 1865
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin'izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra izy tamin’izany andro izany sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany dia nifaly koa ka re hatrany lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
malagasy