Nehemiah 12:44 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany koa dia nisy olona notendrena hitandrina ny efitrano fitahirizana ny fanatitra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolonkarena, fa ao no angonina izay anjara voadidy ho an’ny mpisorona sy ny levita avy amin’ny saha manodidina ny isan-tanàna; koa nifalian’ny Joda ireo mpisorona sy levita izay nanompo ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nitandrina ny zavatra rehetra momba ny fanompoana ny Andriamaniny sy ny momba ny fanadiovana; torak’izany koa ireo mpihira sy mpiandry varavarana, araka ny nandaharan’i Davida sy i Salômôna zanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay koa dia nisy olona notendrena hitandrina ny efitrano fitehirizana ny fanatitra avahana sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena. Ao no nasaina hangonin’ireo olona ireo ny anjara voadidin’ny lalàna mba ho an’ny mpisorona sy ny levita, avy any amin’ny saha manodidina ny isan-tanàna; nifalian’ny vahoakan’i Joda manko ireo mpisorona sy levita izay samy teo amin’ny anjara toerany avy,
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany koa dia nisy olona notendrena hitandrina ny efitrano fitahirizana ny fanatitra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolonkarena, fa ao no angonina izay anjara voadidy ho an’ny mpisorona sy ny levita* avy amin’ny saha manodidina ny isan-tanàna; koa nifalian’ny Joda ireo mpisorona sy levita izay nanompo ireo.
malagasy