Nehemiah 12:46 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa fahiny tamin’ny andron’i Davida sy i Asafa aza dia efa nisy lehiben’ny mpihira sy mpanao hira fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andron’i Zôrôbabela sy i Nehemia, i Israely rehetra dia nanome isan’andro ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana. Nomena ny Levita ny fanatitra masina, dia ny Levita kosa indray no nanome ny anjaran’ny taranak’i Aarôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andron’i Davida manko dia i Asafa no lehiben’ny mpihira ary nisy ny mpitarika antoko-mpihira mbamin’ny hira fiderana sy fisaorana ho fankalazana an’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa fahiny tamin’ny andron’i Davida sy i Asafa aza dia efa nisy lehiben’ny mpihira sy mpanao hira fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra.
malagasy
Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.