Nehemiah 13:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany dia nahita aho fa ny sasany tany Joda dia nanosihosy tao amin’ny famiazam-boaloboka tamin’ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay sy voaloboka ary aviavy sy entana samihafa rehetra koa, izay noentiny ho any Jerosalema tamin’ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin’ny andro nivarotany hanina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany aho nahita olona sasany, tany Jodà, nanosihosy teo amin’ny famiazam-boaloboka, tamin’ny andro sabata, nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny ampondrany aza, dia divay, voaloboka, aviavy, mbamin’ny entana isan-karazany, ka nentina ho any Jerosalema tamin’ny andro sabata; noteneniko izy ireo nony nivarotra ny entam-barony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay koa no nahitako ny olona sasany tao Joda nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ny andro sabata; nisy nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny borikiny aza, dia divay sy voaloboka sy aviavy ary entana isan-karazany, mba hoentina any Jerosalema amin’ny andro sabata; dia nananatra azy mafy aho ny amin’izany andro ivarotany entana izany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany dia nahita aho fa ny sasany tany Joda dia nanosihosy tao amin’ny famiazam-boaloboka tamin’ny Sabata* sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay sy voaloboka ary aviavy sy entana samihafa rehetra koa, izay noentiny ho any Jerosalema tamin’ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin’ny andro nivarotany hanina.
malagasy
Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.