Nehemiah 13:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nanongotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy, na ho vadinareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasiako teny mafy izy ireo sy nozoniko; maro no nokapohiko, nombotako ny volony, ary nangataka nitalaho tamin’izy ireo aho, tamin’ny anaran’Andriamanitra, nanao hoe: «Ny zanakareo vavy, tsy homenareo ho vadin’ny zanany lahy, ary ny zanany vavy tsy halainareo ho vadin’ny zanakareo lahy, na ho vadinareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nifandahatra tamin’ireo lehilahy ireo aho ka nanozona azy; nokapohiko aza ny sasany ary norombotako ny volon-dohany. Dia nampianiana azy tamin’Andriamanitra aho mba tsy hanome ny zanakavaviny ho vadin’ny hafa firenena, ary mba tsy haka ny zanakavavin’ny hafa firenena ho vadin’ny tenany na ny zanakalahiny; sady hoy aho hoe:
Malagasy Bible 1865
Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin'Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nanongotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy, na ho vadinareo.
malagasy