Nehemiah 13:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy izany va no nanotan’i Solomona, mpanjakan’ny Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ny firenena maro, fa tian’Andriamaniny izy ka nataon’Andriamanitra mpanjaka tamin’ny Israely rehetra; kanefa na dia izy aza dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy izao indrindra va no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy, teo amin’ny firenena maro; tian’ny Andriamaniny izy; nataon’Andriamanitra mpanjaka amin’i Israely rehetra izy. Kanefa izy koa dia notarihin’ireo vehivavy hafa firenena ho amin’ny fahotana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Tsy izany ve no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy, teo amin’ny firenena maro. Fa notiavin’Andriamanitra izy ka nataony ho mpanjakan’i Israely manontolo; kanjo, na dia izy aza, dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena.
Malagasy Bible 1865
Tsy izany va no nanotan'i Solomona, Mpanjakan'i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin'ny firenena maro, fa tian'Andriamaniny izy ka nataon'Andriamanitra ho mpanjaka tamin'ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain'ny vehivavy hafa firenena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy izany va no nanotan’i Solomona, mpanjakan’ny Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ny firenena maro, fa tian’Andriamaniny izy ka nataon’Andriamanitra mpanjaka tamin’ny Israely rehetra; kanefa na dia izy aza dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena.
malagasy