Nehemiah 13:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany no nanadiovako azy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy nanendreko ny anjara raharahan’ny mpisorona sy ny levita samy ho amin’ny raharahany avy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia voadioko ho afaka amin’ny hafa firenena rehetra izy ireo, ary novelomiko indray ny lalàna momba ny mpisorona sy ny Levita, samy amin’ny raharahany avy, mbamin’ny momba ny fanaterana kitay hazo ara-potoana voafetra, ary ny amin’ny voaloham-bokatra. Tsarovy izany hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, mba ho soa ho ahy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany no nanadiovako ny Jiosy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy namerenako tamin’ny laoniny indray ny fandaharana momba ny mpisorona sy ny levita mba samy ho amin’ny anjara raharahany avy.
Malagasy Bible 1865
Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny raharahany avy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany no nanadiovako azy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy nanendreko ny anjara raharahan’ny mpisorona sy ny levita samy ho amin’ny raharahany avy
malagasy
Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny raharahany avy,ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.