Nehemiah 13:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nanamboatra efitrano lehibe ho an’i Tobia, dia ilay nitahirizana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry fahiny mbamin’ny ditin-kazo manitra sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo izay anjara voadidy ho an’ny levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary nisy ny fanomezana ho an’ny mpisorona koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
efa namboatra ho an’io, efitrano anankiray lehibe, nitahirizana talohan’izany ny fanatitra, ny emboka, ny fanaka, ny ampahafolon’ny vary, divay vaovao, diloilo, ny hetra ho an’ny Levita, ny mpiandry varavarana, ary izay natokana ho an’ny mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nanomanany efitrano lehibe io Tôbià io, dia ilay efitrano nitehirizana hatrizay ny fanatitra vokatry ny tany sy ny vovo-javamanitra ary ny fanaka mbamin’ny ampahafolon’ny vary sy divay ary menaka; tao koa no nitehirizana ny fanatitra voatokana ho an’ny levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana mbamin’ny fanatitra navahana ho an’ny mpisorona.
Malagasy Bible 1865
dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nanamboatra efitrano lehibe ho an’i Tobia, dia ilay nitahirizana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry fahiny mbamin’ny ditin-kazo manitra sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo izay anjara voadidy ho an’ny levita* sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary nisy ny fanomezana ho an’ny mpisorona koa.
malagasy
dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.