Nehemiah 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tamin’izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho; fa tamin’ny taona faharoa amby telopolo nanjakan’i Artaksersesy, mpanjakan’i Babilona, no nahatongavako tany amin’ny mpanjaka. Nony taoriandriana kely aho vao mba niera taminy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy tao Jerosalema aho, fony nisy izany rehetra izany, satria tamin’ny taona faha-32 nanjakan’i Artakserksesa, mpanjakan’i Babilôna, dia niverina tany amin’ny mpanjaka aho. Ary afaka andro vitsivitsy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy, tamin’izany rehetra izany, dia tsy mba tany Jerosalema aho; satria niverina tany amin’i Artakserksesa amperôran’i Babilôna aho tamin’ny taona faha-32 nanjakany. Nony taoriandriana kely, dia nahazo lalana tamin’ny amperôra aho
Malagasy Bible 1865
Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tamin’izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho; fa tamin’ny taona faharoa amby telopolo nanjakan’i Artaksersesy, mpanjakan’i Babilona, no nahatongavako tany amin’ny mpanjaka. Nony taoriandriana kely aho vao mba niera taminy;
malagasy