Nehemiah 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nahare izany i Sanibala horonita sy i Tobia amonita mpanompo dia sosotra loatra satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony fantatr’i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, izany, dia ratsy mihitsy ny heviny amin’ny hoe, nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy, dia samy sosotra tokoa satria nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nahare izany i Sanibala horonita sy i Tobia amonita mpanompo dia sosotra loatra satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’Israely.
malagasy
Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak'Isiraely.