Nehemiah 2:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nifoha tamin’ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy, nefa tsy nisy olona nilazako izay nataon’Andriamanitra tao am-poko mba hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nifoha tamin’ny alina aho, nomban’olona vitsivitsy. Tsy nilaza tamin’olona izay natoron’Andriamanitra tao am-poko hatao ho an’i Jerosalema aho. Tsy nitondra biby manompo aho afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’Andriamanitra ny foko mba hatao ho an’i Jerosalema. Avy eo dia niainga alina aho, nombàn’olona vitsivitsy; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay boriky nitaingenako ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary nifoha tamin'ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin'Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nifoha tamin’ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy, nefa tsy nisy olona nilazako izay nataon’Andriamanitra tao am-poko mba hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
malagasy