Nehemiah 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha alina aho ka nivoaka ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, tandrifin’ny loharanon’ny dragona sy tamin’ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’i Jerosalema izay rava sy ny vavahadiny izay levon’ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola alina, dia nivoaka teo amin’ny vavahadin’ny Lohasaha aho, dia nandroso mankany amin’ny loharanon’ny Dragona sy ny vavahadin’ny Zezika; nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahadiny efa levon’ny afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandeha alina aho ka nivoaka ilay vavahadin’ny Lohasaha dia nandroso nankany amin’ilay loharanon’ny Dragona ary nihazo ilay vavahadin’ny Fanariam-pako. Nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahady efa levon’ny afo.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, tandrifin'ny loharanon'ny dragona, sy tamin'ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan'i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon'ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha alina aho ka nivoaka ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, tandrifin’ny loharanon’ny dragona sy tamin’ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’i Jerosalema izay rava sy ny vavahadiny izay levon’ny afo.
malagasy