Nehemiah 2:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra teo amin’ny lohasahan-driaka aho tamin’ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, dia niverina indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandeha alina aho niakatra tamin’ny lohasahan-driaka, ka nizaha ny manda; izay vao niverina tany amin’ny vavahadin’ny Lohasaha, ka dia niditra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iny alina iny ihany no niakarako ny tevana amoron’ny lohasahan-driaka sy mbola nizahako ny manda; izay vao nitampody aho, dia niditra ilay Vavahadin’ny Lohasaha ka tafaverina.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra teo amin'ny lohasahan-driaka aho tamin'ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, dia niverina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra teo amin’ny lohasahan-driaka aho tamin’ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, dia niverina indray.
malagasy
Dia niakatra teo amin'ny lohasahan-driaka aho tamin'ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, dia niverina.