Nehemiah 2:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy aho tamin’izy ireo: Ianareo dia mahita ny fahoriantsika fa rava Jerosalema ary main’ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan’i Jerosalema mba tsy hahavoalatsa antsika intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony inona, dia hoy aho tamin’izy ireo: «Hitanareo ny toetra mahonena mahazo antsika, fa rava ity Jerosalema, ary levon’ny afo ny vavahady. Koa andeha hatsangantsika ny mandan’i Jerosalema, dia tsy ho fandatsa intsony isika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy aho taminy; –Hitanareo ny fahavoazana mihatra amintsika fa rava i Jerosalema ary kilan’ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hanangana indray ny mandan’i Jerosalema isika mba tsy ho fandatsa intsony!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika, fa rava Jerosalema ary nodoran'ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika, fa rava Jerosalema ary nodoran'ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.