Nehemiah 2:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nambarako azy ny tanan’Andriamanitro izay nahasoa ahy sy ny tenin’ny mpanjaka izay nolazainy tamiko koa. Ary hoy izy ireo: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy! Dia nampahery ny tanany hanao izany soa izany izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia notantaraiko tamin’izy ireo ny nomban’ny tanana manambin’Andriamanitra ahy, mbamin’ny teny nolazain’ny mpanjaka tamiko, ka hoy izy ireo namaly: «Mitsangàna ary isika, hanorina.» Dia rafitra nanao izany asa izany tamin-kerim-po tokoa izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain’ny amperôra tamiko; ka hoy ireo hoe: –Ndao àry isika hanorina ny tanàna! Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo.
Malagasy Bible 1865
Dia nambarako azy ny tànan'Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin'ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nambarako azy ny tanan’Andriamanitro izay nahasoa ahy sy ny tenin’ny mpanjaka izay nolazainy tamiko koa. Ary hoy izy ireo: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy! Dia nampahery ny tanany hanao izany soa izany izy ireo.
malagasy