Nehemiah 2:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanjaka izay nipetraka teo anilan’ny vadiny tamiko: Haharitra hafiriana anefa ny dianao ary rahoviana no hiverina? Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy ka nilaza fotoana taminy aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay, ary hoy ny mpanjaka tamiko: «Haharitra hoatrinona ny dianao, ary rahoviana no hiverina ianao?» Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy, ka nilaza fetr’andro taminy aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amperôra, izay nanana ny vadibeny nipetraka teo anilany, dia mbola nanontany ahy hoe: –Haharitra fotoana firy any anefa ianao ary rahoviana no hiverina? Dia sitraky ny amperôra ny handefa ahy, koa nilaza fetr’andro taminy aho
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka tamiko (ny vadin'ny mpanjaka koa nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona any anefa ianao, ary rahoviana no hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy; ary dia nilaza fotoana taminy aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanjaka izay nipetraka teo anilan’ny vadiny tamiko: Haharitra hafiriana anefa ny dianao ary rahoviana no hiverina? Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy ka nilaza fotoana taminy aho.
malagasy