Nehemiah 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana i Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ondry; nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lelam-bavahadiny; hatreo amin’ny tilikambo fiambenan’i Hamea ka hatrany amin’ny tilikambo fiambenan’i Hananela no nohamasininy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Eliasiba mpisorona lehibe, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny dia nanomboka nanorina ny vavahadin’ny Ondry, nanamasina azy izy, dia nandatsaka ny lela-vavahady; namboariny ny manda dia nohamasininy hatramin’ny tilikambon’i Meà, ka hatramin’ny tilikambon’i Hananeela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanomboka asa i Eliasiba mpisorombe mbamin’ireo mpisorona namany, ka niara-namboatra ny vavahadin’ny Ondry; dia nanamasina izany ry zareo, vao nandatsaka ny lela-vavahadiny. Ary nohamasininy koa ny manda hatrany amin’ny tilikambon’ny Zatolahy sy ny tilikambo Hananela.
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin'ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin'ny tilikambo Hamea ka hatramin'ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana i Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ondry; nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lelam-bavahadiny; hatreo amin’ny tilikambo fiambenan’i Hamea ka hatrany amin’ny tilikambo fiambenan’i Hananela no nohamasininy.
malagasy