Nehemiah 3:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vavahady mankany amin’ny lohasaha dia namboarin’i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ny manda hatrany amin’ny vavahadin-jezika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Hanòna sy ny mponina ao Zanôe no nanamboatra ny vavahadin’ny Lohasaha; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany; fanampin’izany koa dia nanao ny manda arivo hakiho, hatreo amin’ny vavahadin’ny Zezika izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vavahadin’ny Lohasaha dia namboarin’i Hanona sy ny mponin’i Zanôa: ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahady mbamin’ny hidiny sy barany; ireo koa no namboatra ny manda dimanjato metatra tafapaka amin’ny vavahadin’ny Fanariam-pako.
Malagasy Bible 1865
Ny vavahady mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin'ny manda hatramin'ny vavahadin-jezika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vavahady mankany amin’ny lohasaha dia namboarin’i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony, ary narafiny koa ny arivo hakiho* amin’ny manda hatrany amin’ny vavahadin-jezika.
malagasy
Ny vavahady mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin'ny manda hatramin'ny vavahadin-jezika.