Nehemiah 3:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vavahadin-jezika dia namboarin’i Malkia, zanak’i Rekaba, komandin’ny faritr’i Bety-Hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Melkiasa zanak’i Rekaba, lehiben’ny faritanin’i Betakarama no namboatra ny vavahadin’ny Zezika; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny vavahadin’ny Fanariam-pako dia namboarin’i Malkià zanakalahin’i Rekaba sady komandin’ny faritr’i Bety-Kerema: izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy barany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia, zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vavahadin-jezika dia namboarin’i Malkia, zanak’i Rekaba, komandin’ny faritr’i Bety-Hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony.
malagasy
Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia, zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.