Nehemiah 3:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny levita, dia i Rehoma, zanak’i Bany. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Hasabia, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila, ho an’ny faritra misy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanamboatra nanaraka azy, ny Levita tarik’i Rehoma, zanak’i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an’ny faritaniny, i Hasebiasa lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanarakaraka an’i Nehemià, dia namboatra koa ny levita notarihin’i Rehoma zanakalahin’i Banỳ; ary teo an-kilan’ireo i Hasabià, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Kehilà, dia namboatra ny manda ho an’ny faritra feheziny.
Malagasy Bible 1865
Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny levita*, dia i Rehoma, zanak’i Bany. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Hasabia, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila, ho an’ny faritra misy azy.
malagasy
Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.