Nehemiah 3:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Benjamina sy i Hasoba, teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany koa. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Azaria, zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, teo anilan’ny tranony ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manarakaraka ireo, dia i Benjamina sy i Hasoba nanamboatra teo an-tandrifin’ny tranony. Manarakaraka ireo, i Azariasa zanak’i Maasiasa zanak’i Anania, nanamboatra teo akaikin’ny tranony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo ankilan’ireo dia i Benjamîna sy i Hasoba no namboatra laniny tandrifin’ny tranony ihany; ary nanarakaraka azy dia nisy namboarin’i Hazarià zanakalahin’i Mahaseià sy zafin’i Hananià, ny teo anilan’ny tranony.
Malagasy Bible 1865
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak'i Mahaseia, zanak'i Anania, teo anilan'ny tranony ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Benjamina sy i Hasoba, teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany koa. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Azaria, zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, teo anilan’ny tranony ihany.
malagasy