Nehemiah 3:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Palala zanak’i Ozay koa dia nanamboatra teo amin’ny tandrifin’ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ny tilikambo fiambenana ambony, eo amin’ny tranon’ny mpanjaka, eo akaikin’ny tokotanin’ny trano fiambenana. Teo anilan’io koa i Pedaia, zanak’i Parosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Falefa zanak’i Ozỳ, nanamboatra teo an-tandrifin’ny zorony sy ny tilikambo avo izay mibohitra eo alohan’ny tranon’ny mpanjaka, akaikin’ny tokonan’ny tranomaizina. Manarakaraka io dia i Fadaiasa zanak’i Farosa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo an-kilan’i Binoy, dia namboatra koa i Palala zanakalahin’i Ozay manomboka eo amin’ny zoro ka miafara amin’ny tilikambo ambony eo alohan’ny tranon’ny mpanjaka sady eo akaikin’ny tokotanin’ny Fonja. Nanarakaraka azy dia i Pedaià, zanakalahin’i Parehôsy,
Malagasy Bible 1865
Ary Palala, zanak'i Ozay, koa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny fiolahana sy izay mandroso eo amin'ny tilikambo ambony, eo amin'ny ranon'ny mpanjaka, eo akaikin'ny tokotanin'ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak'i Parosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Palala zanak’i Ozay koa dia nanamboatra teo amin’ny tandrifin’ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ny tilikambo fiambenana ambony, eo amin’ny tranon’ny mpanjaka, eo akaikin’ny tokotanin’ny trano fiambenana. Teo anilan’io koa i Pedaia, zanak’i Parosy.
malagasy