Nehemiah 3:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Malkia izay isan’ny mpanefy volamena, hatreo amin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpanao varo-mandeha, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny vavahady Mifikada ka hatrany amin’ny trano ambony teo an-jorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manarakaraka azy, i Melkiasa isan’ny fikambanan’ny mpanefy volamena, nanamboatra hatreo amin’ny tranon’ny Natineanina sy ny mpivarotra, teo anoloan’ny vavahadin’i Mifkada ka hatreo amin’ny trano ambony eo an-jorony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo ankilan’io, i Malkià isan’ny mpanefy volamena dia namboatra laniny tafapaka amin’ny tranon’ireo mpanampy ny levita sy ny tranon’ireo mpivarotra, izany hoe eo anoloan’ny vavahady Mifikada, ka miafara amin’ny trano fitiliana teo amin’ny zoron’ny manda.
Malagasy Bible 1865
Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan'ny mpanefy volamena, hatramin'ny tranon'ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny vavahady Mifikada ka hatramin'ny trano ambony teo an-jorony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Malkia izay isan’ny mpanefy volamena, hatreo amin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpanao varo-mandeha, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny vavahady Mifikada ka hatrany amin’ny trano ambony teo an-jorony.
malagasy