Nehemiah 3:33 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Sanibala fa nataonay ny manda dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehezany ny Jiosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tezitra ary nisafoaka mafy i Sanabalata, nony nandre fa hoe: mandrafitra ny manda indray izahay. Dia naneso ny Jody izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’i Sanebalato fa amboarinay indray ny manda, dia tezitra sady nisafoaka mafy izy; nihomehy anay Jiosy koa izy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Sanibala fa nataonay ny manda dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehezany ny Jiosy*.
malagasy
Ary rehefa ren'i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,