Nehemiah 3:34 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria izy hoe: Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Moa havela hiasa va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niteny teo anatrehan’ireo rahalahiny sy ireo miaramilan’i Samaria izy nanao hoe: «Asa inona no ndeha hataon’ireo Jody tsy mahefa? Dia havelan’ny olona hanao eo ve ireo? Hahatitra sorona eo va ireo? Hahavita amin’ny indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato voalevina any ambany vovo-tany miavosa sy levon’ny afo va ireo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria hoe: –Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Afaka hanamafy ny manda ve ry zareo ka hanolotra sorona amin’Andriamanitra? Hahavita asa anio ihany ve ireo ka hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria izy hoe: Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Moa havela hiasa va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo?
malagasy
dia niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosa va ireo?