Nehemiah 3:35 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Tobia amonita dia teo anilan’i Sanibala ka niteny hoe: Na amboahaolo aza no miakatra eo amin’izay atsangany dia haharava ny manda vato ataony!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy koa i Tobia Amônita, teo anilany: «Avelao ihany hamboatra eo ireo, fa na fosa iray aza hiantoraka eo dia haharava ny manda vaton’ireo!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Tôbià, ilay Hamônita, dia teo anilan’i Sanebalato ka niteny hoe: –Na fosa iray aza no miakatra eo amin’ny manda atsangan’ireo, dia haharava izany!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Tobia amonita dia teo anilan’i Sanibala ka niteny hoe: Na amboahaolo aza no miakatra eo amin’izay atsangany dia haharava ny manda vato ataony!
malagasy
Ary Tobia Amonita dia teo anilan'i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin'izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.