Nehemiah 3:36 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay! Koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony ary aoka ho babo any amin’ny tany izay ahababoany izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa voaeso izahay. Atsingereno amin’ny lohany ny famingavingana nataony, ary atolory ho remby eny amin’ny tany hamaboana azy izy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy aho hoe: «Mihainoa, ry Andriamanitray, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno aminy re ny latsa afitsony anay, ary aoka izy ho voatebaka any amin’ny tany izay hamaboana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay! Koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony ary aoka ho babo any amin’ny tany izay ahababoany izy!
malagasy
Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin'ny tany izay ahababoany izy.