Nehemiah 3:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Melatia gibeonita sy i Jadona meronotita mbamin’ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ny toerana misy ny sezafiandrianan’ny governora etỳ andafin’ny ony Eofrata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Meltiasa Gabaônita, i Jadôna Merônatita, mbamin’ny mponina ao Gabaôna sy i Masfà no nanamboatra teo anilany, akaikin’ny fitsaran’ny governoran’ny any an-dafin’ny ony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanarakaraka ireo, dia i Melatià ilay Gibehônita sy i Jadôna ilay Merônôtita, mbamin’ny mponin’i Gibehôna sy ny mponin’i Mitsepà no namboatra ny manda hatreo akaikin’ny trano fonenan’ny governora mpifehy ny faritra etỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata.
Malagasy Bible 1865
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora etỳ an-dafin'ny ony etỳ.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora etỳ an-dafin'ny ony etỳ.