Nehemiah 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Hanania, izay isan’ny mpanao haro manitra. Nanamafy an’i Jerosalema hatrany amin’ny manda lehibe izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
i Oziela zanak’i Araiasa lohan’ny mpanefy volamena, nanamboatra teo anilany; ary i Anania isan’ny fikambanan’ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; navelany i Jerosalema hatreo amin’ny manda malalaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo an-kilan’ireo no namboatra koa i Hoziela, zanakalahin’i Harahaià sady isan’ny mpanefy volamena, ary nanarakaraka azy i Hananià isan’ny mpanao zava-manitra: tafapaka amin’ny manda malalaka ny asa nanamafisan’izy roa lahy an’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak'i Haraia, isan'ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan'ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an'i Jerosalema izy hatramin'ny mandà lehibe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Hanania, izay isan’ny mpanao haro manitra. Nanamafy an’i Jerosalema hatrany amin’ny manda lehibe izy.
malagasy