Nehemiah 4:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’io andro io koa dia hoy aho tamin’ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ny zatovonareo; hiambina antsika ireo raha alina ary hiasa raha antoandro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany, hoy koa aho tamin’ny vahoaka: «Samia mandry eto Jerosalema, miaraka amin’ny mpanompony avy, mba hiambina antsika mandritra ny alina, sy hiasa mandritra ny andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany, dia hoy koa aho tamin’ny vahoaka: –Samia mitoetra eto Jerosalema ianareo mbamin’ny mpanomponareo mba hiambina antsika raha alina ary hiasa raha antoandro.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany dia hoy koa aho tamin'ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin'ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’io andro io koa dia hoy aho tamin’ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ny zatovonareo; hiambina antsika ireo raha alina ary hiasa raha antoandro.
malagasy
Ary tamin'izany andro izany dia hoy koa aho tamin'ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin'ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro.Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin'ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.