Nehemiah 4:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ny olo-manankaja sy ny mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo izay lehibe sy mahatahotra no tsarovy, koa miadia mba hiaro ny rahalahinareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny vadinareo ary ny tranonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nijery aho, dia nitsangana nilaza izao tamin’ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa hoe: «Aza matahotra eo anatrehan’ireny ianareo! Fa ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy; ary miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny ankohonanareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nijery izany aho, dia niainga nilaza tamin’ny loholona sy mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe: –Aza atahorana ny fahavalonareo! Tsarovy fa ny Tompo no lehibe sy mahatahotra; ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny tranonareo.
Malagasy Bible 1865
Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ny olo-manankaja sy ny mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo izay lehibe sy mahatahotra no tsarovy, koa miadia mba hiaro ny rahalahinareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny vadinareo ary ny tranonareo.
malagasy