Nehemiah 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, miangavy anareo aho, avereno aminy anio ihany ny taniny, ny tanim-boalobony, ny tanin’olivany, ny tranony mbamin’ny ampahazaton’ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Anio ihany dia samia mamerina ny tanin’izy ireo, ny tanimboalobony, ny fototr’ôlivany, ny tranony, ary ny ampahazaton’ny vola mbamin’ny divay vaovao aman-diloilo nasainareo haloany ho zana-bola.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, avereno amin’ny mpitrosa, izao anio izao ihany, ny sahany sy ny tanimboalobony mbamin’ny tanin’ôlivany sy ny tranony; ary afoizo ny tombon-tsoa ateraky ny vola mbamin’ny vary sy divay ary menaka izay nampisamborinareo.
Malagasy Bible 1865
eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, miangavy anareo aho, avereno aminy anio ihany ny taniny, ny tanim-boalobony, ny tanin’olivany, ny tranony mbamin’ny ampahazaton’ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
malagasy