Nehemiah 5:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ireo: Eny, haverinay izany ka tsy haka na inona na inona aminy izahay fa hanatanteraka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana azy ireo mba hanatanteraka izany teny izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no navalin’izy ireo: «Haverinay izany, ary tsy hitaky na inona na inona aminy intsony izahay, fa hotanterahinay ny voalazanao.» Dia nantsoiko ny mpisorona ary nampanaoviko fianianana fa araka izany teny izany no hataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ireo hoe: –Eny, hanao araka izay lazainao izahay. Hamerina izay nalainay izahay ary tsy hitaky na inona na inona amin’ny mpitrosa. Dia niantso ny mpisorona aho ka teo anatrehany no nampianianako an’ireo mpampisambotra fa hanao araka izany toky nomena izany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ireo: Eny, haverinay izany ka tsy haka na inona na inona aminy izahay fa hanatanteraka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana azy ireo mba hanatanteraka izany teny izany.
malagasy
Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,