Nehemiah 5:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ny tany Joda, dia hatramin’ny taona faharoapolo ka hatramin’ny taona faharoa amby telopolo nanjakan’i Artaksersesy, roa amby folo taona izay, izaho sy ny rahalahiko, dia tsy mba nihinana izay anjara fiveloman’ny governora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny andro nametrahan’ny mpanjaka ahy ho governora teo amin’ny tanin’i Jodà, izany hoe: hatramin’ny taona faha 20, ka hatramin’ny taona faha 32 nanjakan’i Artakserksesa, dia nandritra ny 12 taona, tsy mba nihinana ny mofon’ny governora, na izaho na ireo rahalahiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanomboka tamin’ny andro nanendrena ahy ho governoran’ny faritanin’i Joda, dia ny taona faha-roapolo nanjakàn’i Artakserksesa ka niafara tamin’ny taona faha-32 nitondrany, na izaho na ny havako, nandritra izany 12 taona izany, dia tsy mba nitaky ny anjara-fiveloman’ny governora.
Malagasy Bible 1865
Ary koa, hatramin'ny andro nanendrena ahy ho governora amin'ny tany Joda, dia hatramin'ny taona faharoa-polo ka hatramin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, dia roa ambin'ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman'ny governora.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ny tany Joda, dia hatramin’ny taona faharoapolo ka hatramin’ny taona faharoa amby telopolo nanjakan’i Artaksersesy, roa amby folo taona izay, izaho sy ny rahalahiko, dia tsy mba nihinana izay anjara fiveloman’ny governora.
malagasy