Nehemiah 5:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ny olona; fa izaho dia tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny governora teo alohako, nahavaky tratra ny vahoaka ary nandray mofo aman-divay taminy, ivelan’ny volafotsy efapolo sikla, hatramin’ny mpanompony avy no nampahory ny vahoaka; fa izaho kosa dia tsy mba nanao toy izany, noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ireo governora talohako dia nanahirana ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo; eny, na ny mpanompony aza, dia nisetrasetra tamin’ny olona. Izaho kosa tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin'ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ny olona; fa izaho dia tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
malagasy