Nehemiah 5:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny nokarakaraina ho ahy isanandro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay betsaka samihafa; nefa na dia izany aza, ny anjara fiveloman’ny governora dia tsy mba nilaiko satria navesatra tamin’ny olona ny fanompoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no natokana isan’andro: omby iray, ondry voafantina enina, ary vorona no nahandroina, ka izaho no nandoa ny lany; isan-kafoloana koa namononana ny divay ilaina natao betsaka. Na dia izany aza anefa, tsy mba nitaky ny mofon’ny governora aho, satria efa mavesatra loatra tamin’izany vahoaka izany ny asa nataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka ny niantohako namboarina isan’andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, fa indray mandeha isaky ny folo andro no nanaterana divay betsaka aho. Nefa na izany aza dia tsy mba nitaky ny anjara fiveloman’ny governora aho, satria efa navesatra mafy tamin’ny vahoaka ny asa nataony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny namboarina ho ahy isan'andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman'ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny nokarakaraina ho ahy isanandro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay betsaka samihafa; nefa na dia izany aza, ny anjara fiveloman’ny governora dia tsy mba nilaiko satria navesatra tamin’ny olona ny fanompoana.
malagasy
Ary ny namboarina ho ahy isan'andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman'ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity.