Nehemiah 5:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy aho taminy: Izahay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay izay efa namidy tamin’ny Jentilisa, araka izay azonay natao; fa ianareo kosa, moa hivarotra ny rahalahinareo va ianareo ka hamidinareo aminay va izy? Dia sina izy fa tsy hitany izay havaliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nilaza taminy hoe: «Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin’ny firenena araka ny anananay, ka ianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay!» Gina tsy nahita havaly izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady niteny taminy hoe: –Izahay, araka izay tratry ny fanananay, dia efa nanavotra ny mpiray firenena aminay, izany hoe ireo Jiosy namidy tamin’ny hafa firenena; fa ianareo kosa mivarotra ny mpiray firenena aminareo, ka amintsika samy isika ihany no ivarotanareo azy. Dia sina ry zareo fa tsy nahita havaly.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy aho taminy: Izahay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay izay efa namidy tamin’ny Jentilisa*, araka izay azonay natao; fa ianareo kosa, moa hivarotra ny rahalahinareo va ianareo ka hamidinareo aminay va izy? Dia sina izy fa tsy hitany izay havaliny.
malagasy
Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.