Nehemiah 5:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ny fahatahorana an’Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsiana ataon’ny Jentilisa fahavalontsika?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy koa aho: «Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana ny Andriamanitsika va ianareo, mba tsy ho voan’ny fanaratsian’ny firenena fahavalontsika?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy koa aho hoe: –Tsy tsara izao ataonareo izao! Moa tsy tokony niaina tamim-pahatahorana an’Andriamanitra ve ianareo mba tsy hiharan’ny fanaratsian’ireo hafa firenena fahavalontsika?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ny fahatahorana an’Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsiana ataon’ny Jentilisa* fahavalontsika?
malagasy
Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika?