Nehemiah 6:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Sanibala sy i Tobia ary i Gasema arabo mbamin’ny namany fahavalonay fa efa nanarina ny manda aho ka tsy nisy banga intsony teo, kanefa kosa tsy mbola voalatsako ny lelam-bavahady tamin’izany andro izany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony fantatr’i Sanabalata, i Tobia, i Gôsena Arabo, mbamin’ireo fahavalonay hafa, fa hoe, voaarina indray ny manda, ary tsy misy banga intsony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ren’i Sanebalato sy i Tôbià ary i Gesema ilay Arabo mbamin’ny namany fahavalonay fa tafatsangako indray ny manda ka tsy misy banga intsony. Kanefa tamin’io fotoana io dia tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Sanibala sy i Tobia ary i Gasema arabo mbamin’ny namany fahavalonay fa efa nanarina ny manda aho ka tsy nisy banga intsony teo, kanefa kosa tsy mbola voalatsako ny lelam-bavahady tamin’izany andro izany,
malagasy