Nehemiah 6:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy aho: Moa tokony handositra va ny lehilahy toa ahy? Ary iza ny olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navaliko: «Lehilahy toa ahy izao ve ka handositra!... Ary ahoana moa no hidiran’ny olona tahaka ahy any amin’ny tempoly ka mbola ho velona ihany? Tsy hiditra aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novaliako hoe: –Lehilahy toa ahy izao tsy tokony handositra. Ary olona tahaka ahy ve no hiditra ao amin’ny Toeramasina ka ho velona? Tsia, tsy hiditra ao aho!
Malagasy Bible 1865
Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy aho: Moa tokony handositra va ny lehilahy toa ahy? Ary iza ny olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
malagasy
Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.