Nehemiah 7:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hoy aho tamin’ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina dia aoka harindriny ny varavarana ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy aho tamin’izy ireo: «Aza vohaina ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahatongan’ny hafanan’ny masoandro, ary ny hariva dia ny mbola eo ny mpiambina no hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany, ary amin’ny alina, dia hanendrena mpiambina ny mponina eto Jerosalema samy hatao amin’ny anjara toerany ny tandrifin’ny tranony avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy aho tamin’ireo: –Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary ny hariva, dieny mbola eo ny mpiambina no aoka hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany. Aoka hanendrena mpiambina avy amin’ny mponina eto Jerosalema ka samy hatao amin’ny anjara toerany sy tandrifin’ny tranony avy.
Malagasy Bible 1865
Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hoy aho tamin’ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina dia aoka harindriny ny varavarana ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.
malagasy