Nehemiah 7:61 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao ireo niakatra avy tany Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba, Adona ary Imera, fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ny Israely izy na tsia:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nandeha niala tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adaona, ary Emera, izay tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ireo lehilahy mpiala sesitany niainga avy tany Tela-Mela sy Tela-Harsà na niainga avy tany Keroba-Adôna sy Imera, saingy tsy nahalaza ny maha Israelita ny fianakaviany sy ny firazanany,
Malagasy Bible 1865
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao ireo niakatra avy tany Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba, Adona ary Imera, fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ny Israely izy na tsia:
malagasy
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):